Barea A – Corentin Martins : Mbola hodinihina ny fanavaozana ny asany

Nanatanteraka fitsidihana ny Kianja Barea Mahamasina ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), notarihin’ny minisitra Rasambany Alain Désiré, omaly. Nanatrika izany koa ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Nohararaotina
tamin’io ny resaka mahakasika ny fitohizan’ny asa ho an’ny mpanazatra ny Barea A, i Corentin Martins.
Nilaza izy ireo fa mbola hodinihina sy hanaovana fivoriana miaraka ny mety ho fitohizan’ny asany, amin’ny maha mpanazatra ny Barea A azy. Marihina fa ny fanjakana sy ny fede­rasionina no miara-misalahy amin’ny fandoavana ny kara­man’ity mpanazatra ity.
Hifarana ny faran’ny volana janoary ny fifanarahana aminy ary mbola baraingo ny mbola hahavoatazona azy na hisolo olon-kafa ny toerany.
Tsara ny mampahatsiahy fa nandritra ny fitantanan’i Corentin Martins ny Barea, tafakatra eo amin’ny faha-105 amin’ny filaharan’ny Fifa ny Barea, ankehitriny, raha faha-116 izany teo aloha. Ankoatra izay, mitohy hatrany ny asa fana­tsarana.

F. R

Partager sur: