Karate-Tompondaka maneran-tany : Tsy nahita vahaolana ho an’i Mirantsoa ny FKM

Resabe tao amin’ny tambajotran-tserasera, nanomboka ny alarobia lasa teo, ny tsy nahafahan’ilay Malagasy mpikatroka, Razafindrakoto Mirantsoa, nihazo an’i Egypte. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, izay tokony nanomboka omaly, ny anton-dia saika halehany tany an-toerana. Nitondra fanazavana ny Federasionin’ny Karate-do malagasy.

“Izaho filohan’ny Federa­sionina no malahelo voalohany rehefa misy atleta tsy lasa toy izao”, hoy ny filohan’ny FKM, Ratefina­na­hary Émile, raha nitondra fa­nazavana izy, omaly. Efa na­­nomboka tamin’ny volana ja­noary 2025, hoy izy, no na­nomana ny atleta. Teo ihany koa ny ezaka rehetra nataon’ny federasionina. Nanao ny to­kony hatao rehetra tamin’ny fikarakarana ny federasionina ary efa vita hatramin’ny visa an’i Mirantsoa sy ny trano hi­vantanany, saingy teo amin’ny tapakila no olana. Nanao antso avo ny federasionina, saingy tsy nahita vahaolana hatramin’ny talata lasa teo. Ny “accréditation” anefa ny alarobia no tokony hovitaina, raha ny fa­nazavany hatrany. Ni­araha-na­halala ihany koa ny zava-nisy teto amin’ny firenena, ka tsy hifanomezan-tsiny, hoy hatrany ity filohan’ny FKM ity. Notsindriny anefa fa niaraka nitady vahaolana taminy ary teo hatrany ny minisitry ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré, izay notolorany fisaorana. No­mari­hiny ihany koa fa tsy Razafin­drakoto Mirantsoa irery no mpanao karateka tratran’ny tsy fahafahana nandeha tany ivelany toy izao. Misy atleta roa hafa izay tokony ho niatrika fifanintsanana ho an’ ny fiadiana ny tompondaka ma­­ne­ran-tany tany Paris, ny 15 ha­tramin’ny 17 oktobra lasa teo ihany koa, no tavela teto Ma­dagasikara noho ny fahata­ran’ny fivoahan’ny “visa” an’izy ireo, araka ny fanazavany. “Tsy indray mandeha no man­ta vary ka handevin-tsotrobe”, hoy ity filohan’ny federasionina ity, namarana ny teniny.

Mi.Raz

Partager sur: