Fahasalaman’ny saina : Hisy tohana maimaimpoana

Hotanterahina anio, ary ha­haritra roa andro, ny fanamarihana ny Androm-pirenena momba ny fahasalaman’ny saina, eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena. Iarahana amin’ny mi­nisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiray ombon’antoka samihafa izany. Miompana amin’ny fisorohana ny tolotra, araka ny namba­ran’ny tomponandraikitry ny sampana misahana ny fahasalaman’ny saina ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Na ireo tsy manana olana ara-tsaina aza, tokony hanatona mpitsabo ihany maka torohevitra. Entanina manokana ireo manana olana amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro, ny asa. Hisy psychologue sy psychiatre hanome torohevitra sy tohana ara-tsaina maimaimpoana eny an-toerana, mandritra ny hetsika. Hizara torolalana ho an’ireo efa mila fitsaboana manokana koa ny mpiandraikitra amin’izany.
Manomana fitiliana ho an’ ireo miahiahy fa manana olana ara-tsaina ny mpiasan’ny fahasalamana ka fanararaotra io roa andro io hamantarana ny toe-pahasalaman’ny tsirairay. Ampirisihina manokana ireo olona marefo, ireo efa misedra olana ary ny tanora.

Vonjy

Partager sur: