Mpanao vato voatafika: Karohina ireo nahavanon-doza

Anatin’ny fanadihadiana, mikaroka ny mombamomba ireo olona dimy nanafika “Sri-Lankais” mpividy vato, tao amin’ny fokontany Avaradrova, kaominina Ambatondrazaka, ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Lasan’ny olon-dratsy ny vola mitetina 10 tapitrisa Ar tao amin’ity teratany vahiny ity, ny alin’ny 26 novambra lasa teo. Jiolahy miisa dimy nanao saron-tava, niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano nisy ilay karana, tamin’ny 12 ora sy sasany alina. Tafiditra tao amin’ny efatrano fatoriana ireo mpanao ratsy. Nampiasa hery sy nidaroka ilay karana izy ireo, nandritra izany. Nitondra zava-maranitra ireo jiolahy ka vaky ra ny lohan’ilay voatafika. Note­ren’ny jiolahy hanome ny vola rehetra tao an-trano ity lasibatra
ity. Tsy nionona tamin’ny vola azony ireo mpanao ratsy fa na­lain’izy ireo koa ny finday sy ny solosaina fampiasan’io karana io. Nigadona tao amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana ny mpitandro filaminana rehefa nahare ny fampandrenesana, saingy efa nandositra avokoa ireo mpandroba. Nentina namonjy hopitaly ilay karana. Avotra soamantsara izy. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny ekipan’ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: