Fihinanana soka-dranomasina : Tafakatra dimy ireo namoy ny ainy

Tafakatra dimy ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fihinanana soka-dranomasina an­tsoina hoe: fano, tany amin’ ny fokontany Sahorana, fo­kontany Ampasimpotsy, ka­o­­minina Fenoarivo Atsina­na­na, hatramin’ny omaly. Raha ny fanazavana voaray, vehivavy sy ankizivavy vao enin-taona ireo namoy ny ainy ireo. Am-polony ny olona marary sy mbola manaraka fitsaboana any amin’ny Hopitalibe Fenoa­rivo Atsinanana hatramin’izao. Raha tsiahivina, nividy io ha­zandranomasina azon’ny mpanjono tany an-toerana io izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Andro vitsy taorian’ny fihinanana izany, nahitana soritraretina hafahafa avokoa izy rehetra. Nitranga ny are­tin-kibo, fivalanana, mandoa, ma­rary an-doha, sy ny maro hafa. Nisy ny nanao dokotera tena, nisy kosa ny nanatona toeram-pitsaboana. Anisan’ny antony nampiakatra ny ta­han’ ny namoy ny ainy, ny fisafidianan’ny olona sasany nanao dokotera tena, raha ny fanazavana.
Taorian’ny tranga niseho tany an-toerana, nidina ifo­tony ny tomponandraikitra avy amin’ny Faritra Analanjirofo, nahitana ny kaominina Fenoa­rivo Atsinanana, ny sampandraharaha misahana ny Jono sy ny toekarena manga sy ny maro hafa. Efa nisy rahateo ny fanentanana ny mponina mba tsy hihinana ireo sokatra an-dranomasina sy karazan-trondro sasany amin’izao fotoan’ny orana izao. Tanjona ny hisorohana ny trangam-pahafatesana tahaka izao. Fotoana mahabetsaka ny poizina any anatin’ireo karazan-trondro sy hazandranomasina ny volana novambra hatramin’ny volana marsa.

Mino

Partager sur: