Efa vita ny lasi-panofanana momba ny fikarakarana lakozia sy nahandro, « serveur barman », « valet » et « femmes de chambre ». Mitohy kosa izany ho an’ny asa fandraisam-bahiny (réceptionniste), hoy ny solontenan’ny IECD eto Madagasikara, Rakotoarivelo Manitra.
Nohavaozina ny lasi-panofanana amin’io fiofanana io, amin’ny lenta BTS, araka ny filana sy ny fivoaran’ny tontolon’ny fizahantany sy ny fandraisam-bahiny. Niarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana namolavola izany. Notohanan’ny Institut européen de coopération et de développement (IECD) ny asa ary nampahafantarina omaly ny vokatra, teny Ampefiloha. Efa nisy ny lasi-panofanana napetraka sy nampiasaina ny taona 2020. Nampiharina teny anivon’ny toeram-panofanana La Rizière ao Fianarantsoa izy io, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Harisoamanarivo Angelico Ennodius, Rehefa natao ny tombana, nisongadina fa ilaina ny fanavaozana ny vontoatin’ny lesona omena ny mpiofana, hanatsarana ny kalitao.
« Hivelatra kokoa ny fampianarana ny tenim-pirenena vahiny sy ny fampiharana eny anivon’ny trano fandraisam-bahiny, izay tsapa fa lesoka ho an’ny lasi-panofanana voalohany », hoy ny mpiandraikitra ny toeram-panofanana La Rizière, Razafindratsara Françoise.
« Haparitaka eny anivon’ ny toeram-panofanana ho an’ny asa fandraisam-bahiny ny lasi-panofanana nohavaozina ka ho hentitra ny minisiteran’ny Fizahantany hanara-maso ny fampiharana izany ho an’ny toeram-panofanana rehetra manerana ny Nosy », hoy Rasolondraibe Todiveloniaina, talen’ny fampiofanana ho matihanina sy ny fampanarahan-dalàna eo amin’ny sehatry ny fizahantany.
Nanomboka ny taona 2022 no nanohana ny fanampiana ny toeram-panofanana amin’ny fizahantany amin’ny tetikasa tremplin ny IECD. Manana-danja io sehatra io amin’ny fampandrosoana ny toekarena sady mamorona asa.
Vonjy




