Tafiditra amin’ny vinan’ny minisiteran’ ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, tarihin’ny minisitra Florent Soatiana Bety Léonne, ny momba ny fanataterahana ny politikan’ny governemantan’ ny Fanovana. Ao anatin’izany ny ho fanatsarana ny tsenan’ ny asa ho an’ny tanora.
Nomen’ny minisitera tantsoroka ara-teknika ireo tanora ao amin’ny faritra Itasy, ny herinandro teo. Natao izany hanamorana ny fitadiavana asa. Miisa 45 ireo tanora nahazo fiofanana momba ny fahafehezana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA). Anisan’ny niompanan’ny fampiofanana ny fomba fanoratana ny mombamomba ny tena na « CV » sy ny « Lettre de motivation ». Harafitra amin’ny alalan’ny IA izany.
Etsy andaniny, nampahafantarin’ny minisitra Florent Soatiana Bety Léonne, nandritra ny fananganan-tsaina, ny alatsinainy teo, ireo tomponandraikitra ambony vao notendrena tamin’ny filankevitry ny minisitra. Miisa valo mianadahy mianaka izy ireo no voatendry hitazona andraikitra eo anivon’ny minisitera, manomboka izao. « Manana traikefa ao anatin’ny fanavaozana izy ireo ka hatao ao anatin’ny fahitsiana ny asa », hoy ny minisitra tamin’ny fanolorana azy ireo.
Synèse R.




