Mirongatra izaitsizy ny fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina ankehitriny. Teratany sinoa iray notafihan’ny jiolahy miisa dimy, tany Tanamakoa parisela 12/14, ny sabotsy alina hifoha alahady lasa teo. Voaroba tamin’izany, ny vola, ny basy ary ny finday maro. Nihanika tamboho iray mifanila-bodirindrina tamin’ny trano nokendrena, ireo olon-dratsy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo tamin’ny 2 ora maraina tany ho any. Niditra an-keriny tao an-trano ny efatra tamin’izy ireo, raha nijanona tany ivelany, nijery sy nanara-maso ny zava-nisy ny iray tamin’ireto farany. Efa niomana tamin’ny fiarovan-tena tamin’ny alalan’ny basy teny aminy ilay mpandraharaha lasibatra, vantany vao tafiditra ireo olon-dratsy. Tsy afa-nanoatra ny tenany noho ny hamaroan’ireo mpanafika azy, raha ny loharanom-baovao. Nodarohan’ireo tsy mataho-tody tamin’ny vodibasy io sinoa io ka naratra mafy teo amin’ny lohany. Nalain’ireo olon-dratsy tamin’izany, ny sakaosy iray nisy vola, sy ny finday ary ny basy fiarovan-tenan’ilay lasibatra. Lasa nitsoaka nandositra avy hatrany ireto jiolahy ireto taorian’ny asa ratsy nataony.
« Efa niantso mpitandro filaminana ireo olona teo amin’ ny manodidina fa saingy tsy nisy nandray izany », hoy ireo olona teo amin’ny manodidina. Nivoaka sy niezaka nanavotra ilay mpandraharaha voatafika ny mpiara-monina. Nahita izany ireo olon-dratsy ka niezaka nandositra nanaraka ny lalankely akain’ny lakandranon’ny Pangalanina. Nipoitra teny ambony tetezan’ ny hopitaly be ireo jiolahy ireo saingy tsy nisy tratran’ny fokonolona.
Sajo




