Atletisma – Raharaha Ralisy : Nametraka fitoriana ny Federasionina

Efa tonga any amin’ny birao misahana ny kolikoly “Bianco” ny raharaha momba an-dRalisy, vehivavy malagasy atleta. Efa noraisina am-bava teny ny Federasionina malagasy FMA. Taorian’io, nametraka fitoriana ny rafitra federaly misahana ny atletisma.

Na dia efa niravina aza ny resaka mahakasika an-dRalisy, vehivavy malagasy atleta, izay niatrika ny « Meeting de La Réunion », ny faran’ny herinandro lasa teo. Fantatra omaly fa nametraka fitoriana eny anivon’ny sampan-draharaha misahana ny heloka hanabaka, “Cyber­criminalité”, ny Federasionina malagasin’ny Atletisma, taorian’ireny resabe niely teny amin’ny tambajotran-tsera­sera ireny.
Efa niakatra teny anivon’ ny birao misahana ny kolikoly Bianco moa ny raharaha. Nam­baran’ny filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny atle­tisma (FMA), Raherison Domi­nique omaly, tetsy amin’ny kianjan’Alarobia, fa efa nampanantsoina teny amin’ny Bianco ny FMA. « Betsaka ny fanadihadiana natao tamiko, ary hinoako fa mbola betsaka ihany koa ireo olona alaina am-bavany eny amin’io birao io », hoy ny filohan’ny FMA.
Niteraka fanalambaraka ho an’ity rafitra federaly ity ireny resaka nandeha ireny, raha ny nambarany ihany.

Manana porofo
Anisan’ireo nahatohana ny rafitra federaly misahana ny atletisma ny filazana fa lanin’­ izy ireo ny vola miampy ny fa­nendrikendrehina samihafa. Noho izany rehetra izany no antony nametrahan’ny federasionina io fitoriana io. Manana sary sy ny porofo maro izy ireo hanamarinana izany raha ny filazany ihany. “Efa nazava ny valintenin’ny ligin’i La Reu­nion, izay nivoaka gazety ta­min’iny herinandro iny, fa tsy avy aty amin’ny federasionina iny olana nitranga teo iny. Ary ny mpikarakara ihany no ma­nome ny tapakila nafahan-dRalisy, nifanintsana tany La Reunion.” Tenin’ity filohan’ny FMA ity ihany. Noma­rihan’ny lehiben’ny federasionina moa, fa atleta 5 ihany nomen’izy ireo « attestation » fa tsy tompon’antoka tamin’ireo olona hafa lasa tany La Réunion ry zareo.

Fitia Randria

Partager sur: