Baolina Kitra-« Grand Match de Defi »: Hanatevina an’ireo mpilaravinahitra i Ando Pro

Afaka iray volana eo, izany hoe, ny 28 desambra ho avy izao, ao amin’ny kianja Bari­kadimy Toamasina, hisy ny lalao baolina kitra goavana, “Grand Match de Defi”, izay hihaonan’ny Disciples FC Va­kinankaratra amin’ireo mpi­lalao milaravinahitra any ive­lany, hohatevenin’ireo Barea Chan. Fantatra ny omaly teo, fa ho avy hanatevina ny eki­pan’ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany i Ando Ma­noelantsoa na i Ando Pro, malagasy mpilalao atsy La Reunion.
Hiampy indray, araka iza­ny, ny mpilaravinahitra hi­fan­dona amin’ny ekipan-dry za­reo Va­kinankaratra, izay misy an’i Tendry, Donga, Bono, Ryan, Claude ary i Andy.
Tsiahivina fa efa nilaza ny ho avy ireo kalaza amin’ny bao­lina kitra malagasy avy atsy amin’ny nosy rahavavy, toan-dry: Tsiry Kely, Rojo Be, Berajo, Théodin, Jimmy Si­mou­ri, Ni­co­las Thamon, Nina, Fabrice, Tojo Nirina, Bou­rahim, ary i Jean Yves.
Miampy an-dry Amda Joa­nitto, Thino, Ziad, mpilaravinahitra atsy France, sy ry Ma­xence sy Mickael, avy atsy Suisse. Manampy azy ireo moa i Toldo, mpiandry tsa­tobin’ ­ny Barea farany teo. Raha ny vaovao nampitan-dRa­beza­nahary Patricio, mpikarakara ny hetsika, hisy ny asa-sosialy hataon’ireo mpilaravinahitra ireo any an-toerana, mialo­han’ny lalao. Marihina fa ny ray mpiahy an’ity hetsika ity, dia ny Ben’ny Tananan’ny fa­ritr’i Toamasina, Andriafa­no­mezantsoa Alain.

Fitia Randria

Partager sur: