Nano Mada 2025 : Famelabelarana voka-pikarohan’ny nanotechnologie maneran-tany

Andiany fahatelo ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny nanotechnologie eto Mada­gasikara. Tanterahina eny amin’ny Akademiam-pirenena Tsimbazaza, mandritra ny roa andro izany. “Nano Mada 2025”, izay ahitana famelabelarana voka-pikarohana maro amin’ny nanotechnologie maneran-tany sy ahafanta­rana ny fandrosoana hatramin’ izay. Misy koa fifanakalozan-kevitra iarahan’ny manam-pahaizana malagasy sy vahiny tonga hanatrika ny hetsika eto amintsika.
Mandray anjara isika amin’ ny fikarohana momba ny na­notechnologie amin’ny alalan’ ny “mobilité Erasmus”. Man­defa mpikaroka any ivelany i Madagasikara satria tsy mbola misy ny laboratoara mifanandrify amin’izany eto an-toe­rana. Ny akora kosa anefa misy betsaka eto amintsika toy ny minerais de terres rares, ilménite, … Azo ampiasaina ha­na­tsarana ny fiainan’ny zanak’ olombelona ireny nanomateriaux ireny rehefa vokajy tsara. Ampiasaina amin’ny akanjo, fitsaboana ny homamiadana eo koa ny fampitomboana ny herin’ny “panneaux solaires”¸ hoy ny tale jeneralin’ny Institut National des Sciences et Te­chnologies Nucléaires (INSTN), profesora Rajaobelison Joël,
Anjaran’ny INSTN ny ma­nentana sy mampirisika ny Malagasy mpikaroka hiditra amin’ny fikarohana siantifika satria misy eto ny nanomateriaux.
Efa nahavita nanao “carac­térisation ny nanomatériaux” ao anatin’ny minerais misy eto isika, izay ampiasana amin’ny technologie isan-karazany hatramin’izao. Mpikaroka mala­gasy 20 no misehatra amin’ny nanotechnologie eto Madaga­sikara.

Vonjy

Partager sur: