Fifampikasohan’ny herinaratra: Trano telo kilan’ny afo tetsy Ambohipo

Nitrangana haintrano in­dray tetsy amin’ny tranon’ny mpianatra Ambohipo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 11 ora. Niainga tao amin’ny efitra iray fonenan’ny mpianatra ny fahamaizana. Nanano­sarotra ny famonoana ny afo noho ny fahatapahan’ny rano sy ny fitsokan’ny rivotra teny an-toerana, raha ny fanazavan’ireo mpianatra nanontaniana. Vokany, bloc telo voakasiky ny afo. Kila tanteraka ny bloc iray, raha toa ka may tamin’ny ampahany ireo bloc roa hafa. Niezaka nifarimbona namono ny afo ireo mpianatra sy ny mponina manodidina vantany vao nirehitra ny trano. Navoaka avokoa ny entana tsy tratran’ny afo. Niezaka nifehy ny afo kosa ny avy amin’ny vondron’ny mpamonjy voina nony nigadona teny an-toerana. Voafehy tanteraka ny afo tamin’ny 12 ora tany ho any. Fifampikasohan’ny herinaratra ny antony nahatonga ny firehetana, raha ny fanazavana voaray.
Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy amin’ny tomponandraikitry ny Centre régional des œuvres universitaires d’Antananarivo (Croua). Tsy mbola voafaritra mazava ny isan’ny traboina. Efa nisy ny namonjy fianakaviana mba hialofana noho ny voina nahazo. Marihina fa tsy nisy ainy nafoy na olona naratra tamin’io tranga io. Na teo aza izany, levon’ny afo ny fananana maro izay tsy tafavoaka mialoha.

Mino

Partager sur: