TSELATRA

Vehivavy iray tokony ho 25 taona hita faty tao anaty tatatra, teny amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohidrapeto, omaly maraina. Tsy fantatra ny fianakaviany ary nanapa-kevitra ny hitazona ny razana ny kaominina eny an-toerana. Tsy nahitana ratra ny vatany, raha ny fahitana ny razana.
Zatovolahy iray tokony ho 12 taona tratran’ny fokonolona nangalatra sy namaky tranon’olona iray tany Antanety, Ambatomaro, omaly maraina. Hita teny aminy ny vary fotsy sy akoho iray. Bandy kely miisa telo izy ireo no niaraka nanao ny asa ratsy. Tafatsoaka ireo namany rehefa nahita ny fokonolona.
Fiara 205 iray nidona tamin’ny andrin-jiro tetsy Antanety Ambohimanarina, omaly maraina. Nianjera ilay andrin-jiro vokatry ny hamafin’ny dona ary niteraka fitohanana lavareny. Naratra ary efa nentina any amin’ny hopitaly ireo olona telo tao anatin’ny fiara. Tonga nanamboatra ny andrin-jiro nianjera ny avy amin’ny Jirama taorian’ny loza. Tsy fahampian’ny torimaso teo amin’ny mpamily ny anton’ny loza.
Teratany vahiny iray nendahin’ny mpitondra posy roa lahy tany Toamasina, afakomaly. Norobain’ireo olon-dratsy ireo, tamin’izany, ny vola rehetra tany aminy. Nandritra ny sakoroka teo amin’ny roa tonta, naka sary ilay vazaha ary azony sary ireo mpangalatra ireo.

Partager sur: