Mesupres-Fondation Viseo : Mifanome tanana hanarenana ny Oniversite

Vita sonia ny alakamisy teo, tao amin’ny Atelier Luban, teny amin’ny Sekoly ambony Polyteknika Vontovorona (ESPA), ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny Fondation Viseo mahakasika ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba eny anivon’ny Oniversite.

“Tanjona ny hanomezan-danja ny toeram-pianaran’ny mpianatra izay fototra iorenan’ny fampandrosoana maharitra”, hoy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Ravonimanan­tsoa Nadaohialy Manda-Vy. Hisitraka ny tetikasa, araka izany, ny Oniversiten’Antana­na­rivo sy Vontovorona ary Ba­rikadimy. Nilaza ny filohan’ny Fondation Viseo, i Hiridjee Moustapha, fa “tsy azo ekena intsony ny ianaran’ireo mpianatra ho injeniera, ho mpitsabo ary mpikaroka anatina fotodrafitrasa tsy mendrika ny firenena vonona handroso”. Ken­dre­na ao anatin’izao tetikasa izao, hoy izy ny hananana toeram-pianarana filamatra sy manara-penitra hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Noho izany, tafiditra ao anatin’ny asa hatao ny hanarenana ny trano fonenan’ny mpianatra, ny toeram-pianarana, ny toeram-pamakiam-boky ary ny fotodrafitrasam-panaovana fanatanjahantena.

Fampandrosoana
Efa nandray anjara tamin’ny fanarenana sekoly maro eto Madagasikara ny Fonda­tion Viseo ary vonona hatrany hanohana ny tontolon’ny fampianarana eto amintsika, izay andry fototry ny fampandrosoana mba hahafahan’ny mpianatra mivelatra sy manitatra ny fikarohana ataony ho an’ny hoavy mamiratra.

Henintsoa

Partager sur: