«Tournoi des Grands Elites» : Hifanintsana any Antsirabe

Hotanterahina ny 9 – 13 de­­sambra ho avy izao, any amin’ ny Kianja Velodrome Antsi­rabe, ny fifanintsanana baolina kitra, « Tournoi des Grands Elites ». Araka io anarana io, hifanandrina hiady ny amboara lehibe amin’izany ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra, ny CFFA Andoharanofotsy, ny Cosfa Analamanga ary ny Fosa Juniors FC Boeny. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpikarakara, hanomanana ny fifaninanam-pirenena “Pu­replay Football League (PFL)” ity lalao ity. Klioba notsongaina avy amin’ny kaonferansa avaratra ny CFFA sy ny Fosa Juniors ary tao amin’ny vondrona atsimo kosa ny Disci­ples FC sy ny Cosfa.
Hatao toy ny « Poule des As » izay hifanandrinan’ny ekipa rehetra ny lalao ka izay be isa indrindra no mibata ny am­boara. Tsara ny mampahafantatra fa efa manana ny lazany eo amin’ny fifanintsanana PFL avokoa ireo klioba efatra ireo. Fotoana ihany koa io ahitana ireo mpilalao sangany, nandrafitra ny Barea Chan farany teo. Ahitana an-dry Dahery, Andy, Claude, mpilalaon’ny Disciples FC sy ry Gregass, Gone, Dax, ho an’ny CFFA. Ry Garol sy Toky, ny an’ny Cosfa. Ao anatin’ireo tsara arahi-maso akaiky kosa i Dax kely, mpilalaon’ny Fosa Juniors Boeny. Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka ny 21 de­sambra ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja Barea Mahamasina ny PFL.

Fitia Randria

Partager sur: