Natao omaly, tetsy Anosy, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ireo kaoperativa mpitatitra eto Antananarivo momba ny fampiasana ny Karatra mena handrindrana ny fivezivezen’ireo olona manana fahasembanana.
Ny Karatra mena manomboka izao no mariky ny fandrindrana ny fivezivezen’ireo olona manana fahasembanana, izay efa fantatry ny polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena ary ny kaoperativa. Mahafantatra ny dikan’io karatra io avokoa ireo rehetra voakasika amin’ny fifamezivezena amin’ny fitaterana iombonana, araka ny fanazavana nentin’ny talen’ny fanohanana ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, Rabemanantsoa Rolland.
Napetraka ny sata hifanarahana amin’ny fampiasana io karatra io. Ny mpamily na ny mpamily mpanampy, na ireo manana fahasembanana sy ny zokiolona rehefa mamoaka an’io karatra io dia tokony hahafantatra ny mpitondra fiarakodia hafa na mpandrindra ny fifamoivoizana fa misy olona sahirana amin’ny fivezivezena ao. Mila mandray ny lamina mifandraika amin’izany ireo mpitandro filaminana mba tsy hiteraka fitohan’ny fifamoivoizana sy fanilikilihana.
Rehefa ela loatra ireo olona manana fahasembanana miakatra sy midina anaty fiara fitateram-bahoaka dia tsy raisin’ny mpamily, ialany amin’ny mety ho sazy. Izany fandrindrana rehetra izany no anton’ny fifanarahana, dia ny fampiharana ny Karatra mena hahafahana mifankahazo eo amin’ireo mpampiasa lalana sy ny mpitandro filaminana.
Manerana ny Nosy mihitsy no tokony hisy fifankahazoana ny olona rehetra mpampiasa lalana. Mila mifandrindra sy miara-miasa ny olona rehetra ary mila mifanohana, raha ny fanazavana. Tanjona ny hanamora ny fivezivezena fa samy ho afaka misitraka ny fitaterana iombonana avokoa ny rehetra.
Mbola fifampidinihana manokana iarahana amin’ny kaoperativa amin’ny manaraka ihany koa ny hijerena ny toerana voatokana ho an’ny olona manana fahasembanana any anaty taxi-be.
Tatiana A.




