Hotanterahina manerana ny tobim-pahasalamana rehetra sy ny sekoly, manerana ny Nosy, ny 8 hatramin’ny 12 desambra izao, ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza.
Ireo ankizivavy 9 ka hatramin’ny 14 taona no entanina hanao izany. Maimaimpoana ny fisitrahana izany. Tokony hampirisika ny zanany vavy ireo ray aman-dreny hanao vaksiny raha ny nambaran’ny dokotera Raveloarison Tokinirina, ao amin’ny Sampandraharaha misahana ny fandaharanasa momba ny vaksiny.
Ambony kokoa ny taham-piarovana ny vehivavy rehefa mbola madio tsy nanao firaisana ara-nofo mihitsy na koa hoe virijiny izy no hatao an’io vaksiny io, raha ny fanazavana hatrany.
Ny tsimoraketina Human papillomavirus (HPV) izay fitambarana tsimokaretina mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohan’ny hoditra ary tafiditra amin’izany ny firaisana ara-nofo no mahatonga ny homamiadan’ny vozon’ny trano-jaza amin’ny vehivavy. Homamiadana fahefatra mpahazo ny vehivavy ny homamiadan’
ny vozon’ny tranon-jaza ary azo sorohina amin’ny alalan’ny fanaovam-baksiny dieny mbola tsy nanao firaisana ilay ankizivavy.
Tatiana A




