Nivoaka ofisialy, omaly, ny lisitry ny Malagasy mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, Ankoay, hiatrika ny fiadiana “Africa Cup 3×3”, hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 5 hatramin’ny 7 desambra izao.
Andro roa tsy hanombohan’ny fifaninanana, fantatra ireo mpilalaon’ny Ankoay hiady ny anaram-boninahitra amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja basikety, lalaovin’olona 3, ity. Eo amin’ny sokajy vehivavy, nahitana fiovana kely ny lisitra raha mitaha ny mahazatra. Tafiditra anatin’izany i Sambatrarimiora Tokiniaina, mpilalaon’ny GNB C; Jaofera Christiane sy Andriamihajanirina Sydonie, mpilalaon’ny MB2All ary Randriatahiana Sarobidy, mpilalaon’ny GNBC. Raha io lisitra io, tsy anisan’ny mandrafitra ny ekipam-pirenena amin’ity indray mitoraka ity i Hajanirina Muriel sy i Chine, izay efa nilalao tamin’ny “Africa Cup 3×3” tamin’ny taon-dasa. Ho an’ny sokajy lehilahy kosa, tsy dia nahitana fiovana loatra ny tamin’ny taona 2024 ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena tamin’ity. Tafiditra ao anatin’izay lisitra farany izay Randriamampionona Elly, mpilalaon’ny GNBC; Ratianarivo Livio sy Rasolomanan Anthony, mpilalaon’ny COS PN ary Solondrainy Arnol, mpilalaon’ny COSPN. Tsiahivina fa Rakotonindrina Elie sy Andriamaholy Anthony no mpanazatra ho an’ny sokajy vehivavy. Ranarivelo Jean de Dieu sy Randrianarimanana Haja kosa no ho an’ny sokajy lehilahy. Ankoatra izay, efa fantatra ihany koa ny fandaharan-dalao rehetra mandritra ny 3 andron’ny fifaninanana. Manomboka amin’ny 10 ora ny lalao voalohany, ho an’ny 5 desambra. Lalao 19 avy hatrany no hitranga amin’io zoma 5 desambra io.
Mi.Raz




