Namoaka ny fandaharam-potoana mahakasika ny fiofanana ho an’ireo mpanazatra ho an’ny taom-piasana 2026, ny 20 novambra lasa teo, ny Kaonfederasionina afrikanin’ny handball (CAHB). Anisan’ireo firenena voasafidy hampiantrano izany i Madagasikara. Ny fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana «IHF Licence D» no hatao amin’izany. Fiaraha-miasan’ny CAHB sy ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), hotanterahina ny 22 ka hatramin’ny 26 febroary 2026. Tsiahivina fa fanindroany i Madagasikara no handray izany, taorian’ny tamin’ny taona 2024.
Araka ny angom-baovao, ireo mahafeno ny fepetra takina amin’izany no hany afaka manaraka ity fiofanana ity. Hitarika izany ny manampahaizana avy amin’ny CAHB, saingy tsy mbola fantatra ny anarany raha tsy herinandro mialoha. Amin’ny teny frantsay no hanaovana ny fiofanana. Hifantoka betsaka amin’ny fivoaran’ny taranja handball maneran-tany ny fampianarana ka tafiditra ao anatin’izany ny fitsipika sy ny lalàna mifehy ny lalao, ny fitarihana fanazarantena ary ny fitsaboana.
Tompondaka




