Nanazava ireo olana sy fanamby eo amin’ny sehatry ny asa sosialy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, tamin’ny fifanatrehany amin’ireo depiote teny Tsimbazaza. Tanjon’ny fihaonana ny hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny mpanao lalàna sy ny minisitera. Tafiditra ho amin’ ny fanatsarana ny fandrindrana asa koa izany. Hentitra ny minisitra. « Tsy ijerena loko politika ny hetsika rehetra amin’ny sosialim-bahoaka fa mitovy avokoa ny rehetra », hoy izy. Voaresaka sy nambarany ireo fepetra sy ny fandrindrana ny fizarana fanampiana toy ny Vatsy tsinjo, Vatsin’ankohonana sy ny hafa. Tao anatin’izany koa ny fangatahana ny fanavaozana ny antontan-kevitra sy ireo angona ahafahana mampiditra ireo mponina marefo eny amin’ny distrika sy kaominina. « Atao izany mba hialana amin’ny kolikoly eny anivon’ny fokontany sy ny momba ny fizarana ireny tohana sosialy ireny », hoy izy.
Nitondra soso-kevitra koa anefa ireo depiote. Eo ny hananganana fotodrafitrasa fampiofanana na fanampiana ara-bola ho an’ireo marefo, toy ny vehivavy, ny zaza, ny zokiolona ary ireo sembana.
Etsy andaniny, nomarihana, omaly, ny Andron’ny olona manana fahasembanana. Anisan’ny dingana apetraky ny minisitera ny sata hampiasana ny “Karatra mena”, manoloana ny fahasahiranan’ireo manana fahasembanana.
Niompana tamin’ny olana sedrain’izy ireo rehefa mandray fiara fitateram-bahoaka ny lohahevitra nandritra ny fankalazana. Hisy ny lamina apetraka ka anisan’izany ny kaoperativa mpitatitra sy ny polisim-pirenena.
Synèse R.




