Fampandrosoana: Zava-dehibe ny fandraisan’ny tanora anjara

Antoka ho an’ny hoavy mamiratra eto Madagasikara ny fahafahan’ny tanora mandray andraikitra sy mahafantatra ny tontolo manodidina azy. Ilaina ny hevitr’izy ireo mba hamolavola politikam-pampandrosoana sy hanova ny zava-misy.

Nivoitra izany nandritra ny fifanakalozan-kevitra « Ndao resahina ny fam­pandrosoana », andiany fahadimy, teny amin’ny Oni­versite katolika (UCM), Am­batoroka. Hetsika izay nokarakarain’
ny UCM sy ny federasionina, klioba, fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny UCM izay tohanan’ny Sampandra­ha­rahan’ny Firenena mikam­bana momba ny fampandrosoana (Pnud). Latsaky ny 30 taona avokoa ny 70% ny Mala­gasy. Tombony ho an’ny firenena izany mba hahafahan’ny tanora manova ny toekarena sy ny sosialy. Tanjona ny hitarihana azy ireo ahafantatra ny lalana mankany amin’ny fampandrosoana. « Hita taratra izany nandritra ny fandraisan’ anjaran’izy ireo, izay nanana hevitra sy te hampandroso ny firenena ary te hitondra ny anjara birikiny», hoy ny solontenan’ny mpianatry ny UCM, Andrianarisoa Volam­pana­sina. Kendrena, araka izany, ny hanetsehana sy hi­tondrana ny hevin’ny tanora mba hanovana ny zava-misy. Izany hoe, tsy mijanona ho mpitazana fotsiny izy ireo fa afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Mada­gasi­kara », hoy ny mpandinika ny fiarahamonina sady filohan’ ny Observatoire des jeunes, Ratsida Lanto.

Miara-mientana

Nivoitra tao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ny fomba ahafahan’ny tanora handray anjara sy hamolavola politikam-pampandrosoana. « Se­ha­tra ahafahan’ny tanora ma­neho hevitra malalaka ny he­tsika toy izao satria maha­tsapa tena izy ireo fa henoina ary afaka mivelatra sy tomponandraikitra », hoy ny fanazavana voaray.
Tsiahivina fa efa nandray ny hetsika toy izao ny Oni­versiten’Antananarivo, Fia­narantsoa, Toliara, raha voalohany nanao izany ny UCM. Samy nitondrana lohahevitra samihafa niarahana tamin’ireo manam-pahaizana isan-karazany izany.

Henintsoa

Partager sur: