Mitondra fanazavana sady fanitsiana ny kaompania Ewa Air, manoloana ny vaovao niely tany amin’ny fampahalalam-baovao an-gazety sasany teto Madagasikara. Notsipihiny fa hisokatra manomboka amin’ny sabotsy 13 desambra 2025 ho avy izao ny sidina mivantana mampitohy an’i Madagasikara sy Mayotte. Hisy indroa isan-kerinandro ity zotra ity, ary manan-kery ao anatin’ny fotoana voafetra ihany, hatramin’ny fiandohan’ny volana marsa 2026. Tanjona ny hanamafisana sy ny fanitarana ny zotra rezionaly aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Sady manamora ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Mayotte izany.
Notsipihin’ny Ewa Air fa azon’ny mpandeha atao ny mandray an’ity zotra ity raha te ho any Kaomoro, amin’ny alalan’ ny fifindrana fiaramanidina (correspondance) atsy Mayotte, araka ny fandaminana napetraky ny kaompania. Tsy misy kosa ny zotra mivantana mampitohy an’i Madagasikara sy Kaomoro.
Manamafy sady mampahafantatra ny besinimaro ny Ewa Air, fa ny fampahalalana ofisialy avy any aminy ihany no manan-kery.
Njaka A.




