VAOVAO TAMBATRA

Anisan’ireo firenena ambany toerana indrindra aty Afrika i Madagasikara, raha ny tatitra navoa­kan’ny Global Attractiveness Index 2025 (GAI). Na izany, “manana loharanon-karena samihafa azo hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny”, hoy ny Vondrona eoropeanina. Ilaina, araka izany, ny fananana politika mazava sy fanapahan-kevitra mirindra ho an’ny tombontsoa iombonana sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina.
Hentitra ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Sina eo amin’ny sehatry ny toekarena manga. Zava-dehibe ny ady amin’ny tsimatimanota ho an’ireo mpandraharaha tsy manaja ny lalàna manan-kery mifehy ny jono. Vonona hanadio sy hiara-miasa akaiky amin’ny fanjakana malagasy i Sina hanatrarana ny tanjona iombonana sy hanatsarana ny sehatry ny jono. Eo koa ny hanohanana ny fampiasam-bola maharitra sy voarindra hampiroboroboana ny toekarena manga.
Miditra tanteraka anatin’ny asam-baomiera ireo teknisianina avy amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny vaomiera eo anivon’ny Antenimierandoholona taorian’ny fanolorana ampahibemaso ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (PLFI) 2026. Marihina fa miisa 84 ireo Solo­mbavambahoaka nandany ny PLFI 2026 izay nasiana fanitsiana niisa 24.

Partager sur: