Nanomboka, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja Basikety 3×3. Tsara fanombohana ny ekipa malagasy vehivavy.
Ny Ankoay vehivavy no niakatra an-kianja, omaly, ho an’ny solontena malagasy, ao anatin’ny “Africa Cup 3×3”, izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny Mahamasina. Nandritra ny lalao voalohany nifandrinan’izy efatra mirahavavy (Christiane, Sarobidy, Sydonie,Sambatra), tamin’ny ekipan’ny Egypte (Radwa, Alina, Nour Talaat, Asrar), tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy. Fandresena avy hatrany no azon’izy ireo, tamin’ny isa 19 no ho 17. Tsy voatohitra i Sarobidy izay nahazo isa 9 be izao tamin’ity lalao voalohany ity, raha toa ka isa 4 no azon’i Christiane ary 3 avy ho an’i Sydonie sy i Sambatra.
Teo amin’ny lalao faharoa
Mbola norombahan’ny Ankoay vehivavy hatrany ny fandresena nanoloana ny ekipan’i Ouganda, tamin’ny isa 18 no ho 15. Samy nampiditra isa 5 avy i Sambatra sy i Christiane, raha toa ka 4 avy kosa ny an’i Sydonie sy i Sarobidy Ho an’ny anio, hiakatra an-kianja ny Ankoay lehilahy, ka hihaona amin’i Madagasikara voalohany, ny ekipan’i Rwanda. Ny ekipan’ny Repoblika Demokratika ny Congo kosa no miandry ny Ankoay, vehivavy.
MiRaz
Vokatra, zoma 5 desambra
Lehilahy
Botswana 20-17 Somalie
Comores 21-6 Somalie
Botswana 22-11 Comores
Algerie 21-18 Seychelles
Ouganda 16-21 Tunisie
Algerie 21-8 RD Congo
Ouganda 12-19 Egypte
Vehivavy
Botswana 9-21 Rwanda
Bénin 11-13 Comores
RD Congo 7-21 Egypte
Ouganda 16-20 Tunisie
Kenya 12-15 Rwanda
Comores 15-11 Botswana
Bénin 16-21 Kenya
Madagascar 19-17 Egypte
Madagascar 18-15 Ouganda




