Hiditra amin’ny herinandro fahefatra ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby, « XXL Top 12 », rahampitso alahady. Eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka hatrany no hanatontosana ireo lalao voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana, hiendrika famaranana ny donan’ny samy kartie, hifanandrinan’ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny USA Ankadifotsy (Tapany maitso). Hangotraka ny lalao satria ekipa ao anatin’ny heriny izy ireo, amin’izao fotoana izao. Na izany aza, hanala vela ry zareo Tapany maitso, izay nanavao ireo mpilalaony ary miverina amin’ny fahaiza-manaony. Ny Dakar indray efa tsy zoviana amin’ny rehetra intsony ny lazany sy ny traikefany. Ankoatra izay, hifampitana ny TFA Anatihazo (Pilokely) sy ny 3FB (Fahasalamana). Tsy maintsy hanarina ny fahareseny, nandritra ny herinandro fahatelo, ny roa tonta. Ny UASC Cheminots (Besetroka) indray hanohitra ny Cosfa (Bebaoty). Hanokatra ny lalao rehetra ny fifaninanana iraisam-paritra, hikatrohan’ny COSM Itasy sy ny Alaotra Mangoro.
Tompondaka




