Rallye: Ho avy eto an-tanindrazana Razanakoto Iaro

Ho tonga eto an-tanindrazana, rahampitso, Razana­koto Iaro, Malagasy mpanamory fiarakodia amin’ny fifaninanana “Grand Turismo”, anatin’ny faritra Asia-Atsimo Atsi­nanana. Hafana ny fandraisana azy, raha ny vaovao voaray. Hisy ny fitsenana an’ity Ma­lagasy ity eny Ivato, ary ao anatin’izany ny fizarana ny satroka ho an’ireo mpankafy manokana tonga eny an-toerana. Raha tsy misy ny fiovana, hisy ny karavanina lehibe hiainga eny Ivato mankeny amin’ny Kianja Barea Maha­masina, amin’ny 3 ora sy sasany. Tsara ny mampahatsiahy fa i Iaro Razanakoto izay manana ny lazany amin’ny fifanintsanana “GT”. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ ny GT4, ny volana novambra lasa teo ny tenany. Fahatelo kosa amin’ny filaharana akapobeny. Manana vina ambony ny hampiakatra avo ny voninahi-pirenena malagasy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny lehilahy. Taorian’ireo vokatra tsara azony ireo, niakatra ao amin’ny sokajy GT3 ny tenany ankehitriny. Ankoatra izay, ampahafantarina fa tsy mijanona eo amin’ny resaka fanatanjahantena ihany ny lehilahy fa manao karazana asa sosialy ihany koa, toy ny fanampiana ara-tsakafo ireo Akany eto Madagasikara. Hanatrika ny fitsenana azy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, raha tsy misy ny fiovana.

F.R

Partager sur: