Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga amin’ny taranja baolina kitra. Hanamarinana izany moa dia misy ny diabe izay hatao miainga eo amin’ny Kaominina Andoharanofotsy, hatreny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha. Hisy ihany koa lalao ara-pirahalahiana, izay hifanandrinan’ireo mpitantana ny klioba amin’ny mpanao gazety.
Hotanterahina anio ao amin’ny kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fifanintsanana nasionaly taranja tolona, ho an’ireo sekoly. Hetsika iray natao hisarihana sy hijerevana ireo solofo handimby amin’ny taranja tolona, ary hampiakarana ny lanjan’ny taranja tolona eto Madagasikara. Tsara mampatsiahy fa efa nisy ny fiofanana nampanaovin’ny federasionina an’ireo mpampianatra fanatanjahantena mahakasika ity taranja iray
ity. Hanomboka amin’ny 8 ora maraina ny lalao eny an-toerana.
Hotanterahina any Zimbabwe, ny 6 hatramin’ny 14 desambra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Échecs, ho an’ny sokajy Jeunes. Manana solontena 4 mianadahy i Madagasikara, ahitana an-dRandriatsiferana Dimbiharentsoa Christiana, i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra, i Tojomalala Sombin’Aiko ary Rasolondraibe Nehemiah. Omaly no nanainga teto an-tanindrazana ny delegasionina malagasy.




