CHU Anosiala : Nahazo fitaovana hari­fomba fitarafana maso

Herinandro ny faharetan’ny hetsika fandidiana maso maimaimpoana natao teny amin’ny hopitaly Anosiala. Ireo olona nisy katarakta no nisitraka izany ary nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana Pneumo-Aide nahafahana nanatanteraka izany.
Teknika fandidiana avo lenta « phacoémulsification » no nampiasaina, izay efa manaraka ny teknolojia maoderina. Marary 65 no nisitraka izany maimaimpoana izany ary miverina amin’ny fahiratana vaovao indray ankehitriny.
Ankoatra ny fandidiana dia nanolotra fitaovana ho an’ny hopitaly koa ny Pneumo-Aide. Nahitana optopol Revo Oct sy fitaovana harifomba izay hahavitana fitarafana karazany maro eo amin’ny maso izany (Oct, Octa, pachymétrie, topographie coréenne…). Eo koa ireo latabatra fandidiana sy ny kojakoja hanatanterahana ny fandidiana. Entina hanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana sy ny tolotra ara-pahasalamana ireo fitaovana natolotra ireo.
Saro-pady ny maso ary anisan’ny taova sarobidy indrindra tsy tokony ho atao ambanin-javatra ny fikarakarana azy sy ny fitsaboana, raha misy ny tsy fahatomombanana.

Tatiana A

Partager sur: