Voalazan’ny fanadihadiana fa mihakely hatrany ny salan-taonan’ny tanora miroso amin’ny firaisana ara-nofo. Misy latsaky ny 15 taona dia efa misy manao izany sahady, na lahy na vavy.
Tsy ampy fahalalana amin’ny fiarovan-tena na amin’ny vohoka tsy iriana na amin’ny fifindran’ny aretin’ny taovam-pananahana vokatry ny firaisana anefa izy ireo fa entin’ny fientanana fotsiny, raha ny fanazavan’ny dokotera mpikarakara tanora sy mpanao fanentanana noresahina.
Maro ny loza mitatao ateraky ny firaisana ara-nofo aloha loatra. Eo indrindra koa ny firaisana ara-nofo tsy voaaro. Ambony ny ambana mety hahazoana ny aretina azo avy amin’ny firaisana, mety hankarary ny taovam-pananahana na hitarika any amin’ny fahamombana mihitsy.
Eo koa ny vohoka aloha loatra na ny vohoka tsy iriana izay mitarika any amin’ny mety ho fanalan-jaza. Ity farany izay misy risika na mety hahafaty mihitsy. Ho tapaka eo ny fianarana ary ho lasa vesatry ny ankohonana.
Fanentanana ny tanora hiaro tena amin’ny fampiasana ny fiarovana mandritra ny firaisana ara-nofo no tokony hatao, raha ny soso-kevitry ny dokotera hatrany. Mampiasa fimailo satria iny ihany no miaro amin’ny areti-mifindra sy ny vohoka tsy iriana.
Saro-pady ny fahasalaman’ny fananahana ka tokony hahasaro-piaro ny tsirairay.
Tatiana A




