Mpampianatra voalaza ho mamo: Nodisoin’ny fikambanan’ny mpampianatra tany Betroka

Nandalo sy nitsidika ny mpampianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra tany amin’ny distrikan’i Be­troka ny minisitry ny Fana­beazam-pirenena ny faran’ny herinandro lasa teo. Nano­trona izany ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana. Nikasa hangataka fitenenana ny mpampianatra iray tamin’io fotoana nifampiresahana teo amin’ny roa tonta io. Saingy noraran’ny solombavambahoaka tsy hiteny anefa izy, izay niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera. Voa­laza fa mamo sy tsy mahalala fomba io mpampianatra io ka antony tsy namelana azy hiteny.
Manoloana izany, nodisoan’ireo fikambanan’ny mpampianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra tany an-toerana ny filazana fa mamo io mpampianatra iray io. «Misy hetahetanay mpampianatra nokasaina hambara tamin’ny ramatoa minisitra saingy lasa nivadika korontana izany noho iny filazana nataon’ny depiote iny», hoy ireo mpampianatra nanao fanambarana. «Am-panajana ny fangataham-pitenenana fa nandray an-tendrony ny so­lombavambahoaka ary manao tsinontsinona ny zonay mpampianatra tsy afaka hiteny», hoy hatrany izy ireo. Malahelo izahay mpampianatra ka nanao fitokonanana sy fanambarana niombonana.

Mino

Partager sur: