Manomboka izao, mandeha tsy miato ny jiro eny amin’ny Oniversiten’Ankatso. Efa mahaleo tena amin’io sehatra io ny eny an-toerana. Tsy mahakasika ny fampianarana ambony intsony ny delestazy.
Ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Randrianirina Michaël, mihitsy no nitondra avy hatrany ny vahaolana momba ny herinaratra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo.
Mahaleo tena amin’ny famatsiana herinaratra ny oniversite amin’izao fotoana, amin’ny alalan’ireo fitaovana famokarana angovo azo avy amin’ny masoandro sy ireo kojakoja ary fomba miaraka aminy. Mirehitra avokoa ny jiro eny an-toerana.
Tsy ho an’ny Oniversiten’ Antananarivo irery ihany fa ireo oniversite rehetra eto Madagasikara no hisitraka “panneaux solaires”, “batteries” ary “appareils modulaires” hampandeha ny herinaratra, hahafahan’ny oniversite mihodina.
Natao laharam-pahamehana ny efitrano fianarana, ny laboratoara ary ireo birao fitantanana. Napetraka ihany koa ny “Lampadaires” sy ny “Caméra de surveillance”, izay manampy amin’ny fiarovana sy ny filaminana eny amin’ny sehatry ny anjerimanontolo.
Na dia misy fahatapahan aza ny jiron’ny Jirama, afaka manohy ny asa am-pilaminana ny oniversite, na amin’ny sehatry ny fampianarana izany na amin’ny fitantanana.
Mikendry ny hanatratra ny “transition énergétique” sy hialana amin’ny delestazy lavareny eny amin’ny Fampianarana ambony ny fanjakana.
Misitraka izany avokoa ny oniversite rehetra manerana ny Nosy, araka ny filan’ny tsirairay. “Ambohitsaina mirehitra jiro, manao dingana mankany amin’ny fandrosoana sy ny fahavitan-tena amin’ny lafiny angovo”. Tsy tokony ho feran’ny olan’ny jiro ny fianarana sy ny fikarohana eto Madagasikara.
Tetsy andaniny, nanolotra solosaina miisa 100, novokarin’ny Malagasy manampahaizana, ho fanohanana ny fandrosoana ara-teknolojia sy ny fikarohana ho an’ny Oniversiten’Antananarivo, ihany koa, ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara nandritra ny fitsidihana.
Tatiana A




