Fandraisana marary: Nankatoavina ny fomba fiasa iraisana

Ny aretina tazomoka, ny aretin’ny taovam-pisefoana, ny fivalanan-drano, ny gripa ary ny fiakaran’ny tosidra matetika no hanatonan’ny olona toeram-pitsaboana, manerana an’i Madagasikara. Mahazo ny sokajin-taona rehetra ireo aretina ireo.
Nanaovana fankatoavana teknika ny fomba fiasa iraisana momba ny fandraisana an-tanana ny marary amin’ireo sokajin’aretina voatanisa ireo. Natao ny faran’ny herinandro teo izany.
Samy naneho fahavononana hanohy ny ezaka hanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana marary ireo dokotera sy mpikarakara marary voakasika izany.
Rehefa misy ireo trangan’aretina ireo, tonga eny amin’ny tobim-pahasalamana ny marary. Araka izany, mitovy ny fandraisana sy fikarakarana, ny fomba hitsaboana, araka ny fifanarahana nankatoavina.

Tatiana A

Partager sur: