Basikety-“Africa Cup 3×3” : Voatazon’ny Ankoay, lahy sy vavy, ny anaram-boninahitra

Voatazon’i Madagasikara ny anaram-boninahitraho an’ny sokajy lehilahy sy vehivavy, taranja basikety lalaovin’olon-telo, teo amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika. Fifaninanana natao teto Madagasikara, nifarana omaly, teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Fitaintainana hatramin’ny farany ny lalao famaranana.

Isa ety dia ety hatrany ny teny amin’ny solaitrabe, na ny so­kajy lehilahy na ny vehivavy. Teo amin’ny sokajy ve­hivavy, lavon-dry Christiane, Sarobidy, Sam­ba­tra ary i Sy­donie, tamin’ ny isa 17 no 16 ny ekipa egyptiana. Ho an’ny sokajy lehilahy kosa, isa 21 no ho 20 no nisarahan’ny roa tonta. Efa tany amin’ny se­gon­dra farany avy amin’i Arnol no na­hazoan’ny Ankoay ny amboara.
Tsiahivina fa nialohavan’ny lalao manasa-dalana nampitaintaina ireo famaranana ireo. Anisan’izany ny fifanandrinan’ny Ankoay, ve­hivavy, sy ny ekipan’i Kenya. Ady mafy hatrany am-piandohan’ny lalao ny teo amin’ny roa tonta, nisy fotoana tena efa nilaozan’i Kenya isa 6 ny eki­pa malagasy, saingy na­nezaka mafy ka sahala 20 no ho 20 ny isa teny amin’ny solaitrabe. Ny baolina nampidirin’i Sam­batra tamin’ny mi­nitra farany no nahazoan’ny Malagasy ny tapakilan’ny fa­maranana ka isa 21 no ho 20 izany no nisarahan’ny roa tonta.

Lalao mendrika
Teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo kosa, azon’i Ke­nya ny fandresena nanoloana an’i Rwanda, ho an’ny sokajy vehivavy, ka isa 14 no ho 11 no nisarahan’ny roa tonta. Ho an’ny sokajy lehilahy, nahazo ny laharana fahatelo i Rwanda , nanoloana an’i Algerie, tamin’ny alalan’ny isa 21 no ho 13. Antoka iray nampahomby ny ekipa malagasy ny fanohanan’ny mpijery izay tonga maro teny an-toerana, notoloran’ny Ankoay fisaorana manokana. Teo amin’ny lafiny fandraisan’i Madagasikara ity fifaninanana ity, nidera ny fahaiza-manao teo amin’ny lafiny fikarakarana ireo firenena tonga nandray anjara. Nampanantena ny Ma­lagasy mpilalao, i Arnol, fa ma­nana vintana hanao lalao Olympika ny ekipa malagasy.
Marihina fa voahosotra ho mpilalao mendrika teo amin’ny sokajy vehivavy, i Jaofera Mi­noharisoa Christiane. Tafiditra anatin’ny” top 3 “ihany koa i Alia (Egypte) sy i Krisitine (Ke­nya). Teo amin’ny sokajy lehilahy, mpilalao mendrika Randriamampionona Elly. Ta­fiditra anatin’ny “Top 3” kosa i Rafaat (Egypte) sy i Justine (Rwanda).

Mi.Raz

Mpilalao mendrika
Vehivavy : Jaofera Minaoharisoa Christiane
Lehilahy : Randriamam­piono­na Elly
Vokatra famaranana
Lehilahy : Madagasikara 21-20 Egypte
Vehivavy : Madagasikara 17-16 Egypte
Laharana fahatelo
Lehilahy : Rwanda 21-13 Algerie Laharana fahatelo
Vehivavy : Kenya 14-11 Rwanda

Partager sur: