DAKA AN-JORONY: Aza manao voasarin’ Ambohijafy

Ny taona ity no hivalona fa ny savorovoro eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena tsy mifarana fa toa tantara mitohy, tsy hita fiafarana. Hitrangan’izany ny tsipy kanetibe, ny baolina kitra sy ny atletisma, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Fanta­tra fa tsy raiki­tra indray ny fanavaozana ny mpikambana eo anivon’ny tsipy ka­netibe noho ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny lalàm-pifidi­­ana­na.
Etsy an-kilany, mitaky fanavaozana ny eo anivon’ny Fe­derasionina malagasin’ny baolina kitra ireo mpitsara. Ny atletisma, niafara tamin’ny fitondrana ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ilay fandehanana tatsy La Réunion. Toa manao voa­sarin’ Ambohijafy ê! Mangataka, omeny malazo. Mividy, omeny man­ta, nefa ny masaka hoanin’ny tompony.
Mahasadaikatra tanteraka fa toa samy milaza ho manana ny marina ny mpitantana sy ireo mpiantsehatra.
Toa lasa mitsingolongoloka tahaka ny ganagana. Toa lasa mitsentsitra maso didy sahala amin’ny lalitra ka toa tsy mahita afa-tsy ny an’ny tena. Tsy mifampihaino intsony ka toa manao voasarin’Ambohijafy. Mangataka, mahazo malazo. Mividy, hihina-manta, kanefa ny masaka hoanin’ny tompony.
Etsy an-kilany, toa angady mondro tsy mahatapaka ahitra ny minisitera. Tsy te hiditra lalina fa sao ho sendra ny antara masia-drano mody. Ny mifankatia tsy mifamarafara nefa ady no iafarana. Toa manao kabarin-dRainisalama ny an-daniny sy ny an-kilany ka ny lasa dia lasa fa ny sisa manaraka ihany. Manao zinga voatavo ka samy mibobobobo amin’ny azy. Tsy misy «fair-play» intsony fa manao voasarin’Ambohijafy, mangataka omeny malazo. Mividy, omeny manta, ny masaka nefa hoanin’ny tompony.

Tompondaka

Partager sur: