Paikady hiarovana amin’ny fikisahana sy fitomboan’ny dongom-pasika ny fambolena taretra eo amboniny. Mahatratra 243 ha ny velaran-tany efa voavoly any amin’ny kaominina Tanandava, distrika Amboasary Atsimo.
Miasa any amin’ny faritra Androy, Anôsy ary Atsimo Andrefana ny tetikasa Mionjo. Anisan’ny ifantohany ny mitondra vahaolana hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Satria, mirongatra any amin’iny tapany atsimon’ ny Nosy iny ny fitomboan’ny dongom-pasika, vokatry ny fitsokan’ny talio mena na rivo-pasika mihamikisaka an-tanety manototra ny tanimboly sy manimba ny ala. Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ny tetikasa Mionjo. Asa notanterahina ny fihazonana ny dongom-pasika tsy hiitatra sady fanatsarana ny velontenan’ny mponina. Mirefy 243 ha ny dongom-pasika nambolena taretra, zavamaniry afaka maniry tsara eo amboniny sady mahatanty ny haintany, notanterahin’ny Catholic Relief Service (CRS) ao anatin’ny tetikasa Mionjo. Mahatratra 2 400 ny mponina nisitraka ny asa mivantana sy ny tombontsoa, tamin’ny alalan’ ny “Asa atakalo vola” (Cash for work), nahazoan’izy ireo tambin-karama sy vola tahiry hanatsarana ny velon-tenan’izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny Paikady nasionaly iatrehana ny fiovan’ny toetr’andro (PNA) ity tetikasa ity. Nitsidika tany an-toerana ny minisitra, Manesimanana Rafanomezantsoa Michaël, omaly, alatsinainy.
Mahatratra 2,3 tapitrisa ny misitraka ny tetikasa
Nanomboka ny taona 2020 ny tetikasa Mionjo tohanan’ny Banky iraisam-pirenena. Nahazo famatsiam-bola fanampiny, mitentina 54 tapitrisa dolara indray ny volana jona 2025 teo, ka niampy 900 000 ny olona misitraka azy, ka lasa tafakatra 2,3 tapitrisa ny fitambarany, any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Miompana amin’ny fitantanana tsara eny ifotony ny tetikasa, fanohanana ny fambolena, ny fanarenana ny tontolo iainana, ny fahazoana rano fisotro madio ary ny fitantanana ny fiatrehana ny loza voajanahary.
Njaka Andriantefiarinesy




