Ilaina ny fahatongavan-tsaina eo amin’ny tanora, fiarahamonina, fitondrana satria efa tsy azo lavina fa zava-misy ny firosoan’ny tanora amin’ny firaisana ara-nofo. Ilaina ny vahaolana iraisana ho an’ny tanora hisorohana ny vohoka tsy niriana, ny aretina sy ny fahasarotana eo am-piterahana. Izay no tanjon’ny adihevitra notontosaina teto Antananarivo.
Nikarakara adihevitra iarahana amin’ny mpisehatra sy mpiray ombon’antoka amin’ny fahasalamana ara-pananahana sy ny ady amin’ ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy (VBG) ny Fisa sy ny le Mouvement pour le Planning Familial (MM PF) ary ny tetikasa WISH2, omaly, teny Tsaralalàna. Tafiditra amin’ny 16 andro hanaovana hetsika iadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny zo hisitraka fananahana ara-pahasalamana izany. Tanjon’ny fihaonana ny ahazoan’ny tanora sy ny firaisamonim-pirenena ary ny mpiray miresaka malalaka ny zava-misy iainan’ny tanora sy ny vehivavy ary ny olona manana fahasembanana manodidina ny lohahevitra ka zavatra roa no niompanany. Ny sakana amin’ny fisitrahana zo ara-pananahana ary ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy sy ny rafitra fiarovana efa misy eto amintsika.
Eto Madagasikara, araka ny fanadihadiana natao ny taona 2024, nisongadina fa manodidina ny 13 taona ny zatovovavy ary 15 taona ny zatovolahy no miditra voalohany amin’ny firaisana ara-nofo. Tsy ampy fahalalana momba ny fananahana ara-pahasalamana anefa izy ireo satria ny namana na ny tambajotra sosialy no hakana antontan-kevitra na torohevitra izay diso indraindray na tsy feno, hoy ny tale mpanatanteraka ny MMPF, Juliana Faniloniaina.
Liana ny tanora momba ny fananahana ara-pahasalamana sy ny zo mifandraika amin’
izay nefa fady ny firesahana izany ao an-tokantrano sy eny anivon’ny fiarahamonina.
Efa misy ny fanabeazana momba ny fahasalamana ara-pananahana feno eny anivon’
ny sekoly ka miaraka amin’ny mpanabe olon-tsahala efa hofanina ao anatin’ny hetsiky ny MMPF. Araka ny salan-taona ny fahalalana omena ny mpianatra, hoy ny mpandrindram-paritry ny Fisa Antananarivo, Raveloson Aurore.
Vonjy




