OIF-Fampianarana teknika : Ho an’ny tanora ny tetikasa D clic

Nihaona ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio sy ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Frankofonia (OIF), notarihin’i Laurentiu Hristea. Nidinika ireo tetikasa fanofanana mipaka avy hatrany amin’ny fampananana asa ny tanora izany.
Efa nisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa ny taona 2022, mifototra amin’ny fampiofanana ireo mpampiofana ( CIAPC). Ny taona 2023 kosa, nankatoavina ny “Référentiel de Métier Compétences” mifanaraka amin’izany.
Ankehitriny, anisan’ireo tetikasa iarahana amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny OIF ny “Plateforme Inser­Jeune”. Rafitra iray hahafahana manara-maso ny fifanojoan’ ny tolotrasa misy sy ny fiofanana omena ny tanora amin’ ny alalan’ny internet. Hisy koa famolavolana tetikasa hampifanarahana ireo fanavaozana amin’ny taona ho avy.
Ankoatra izay, manana ny tetikasa “D clic” ny OIF ; izay hiantsoana ireo tanora maherin’ny 1 000 hiofana eo amin’ny sehatry ny niomerika : “développement numérique”, “développement mobile” ary ny “marketing numérique”. Fampiofanana ireo tanora malagasy tia sy liana amin’ny tontolon’ny niome­rika, afaka hiditra eo amin’ny asa avy hatrany ny “D clic”.

Vonjy

Partager sur: