INDRAY MIJERY

Natao tao amin’ny BNGRC, tamin’ity herinandro ity, ny fivoriana niarahan’ny prefektiora 18 mane­rana ny Nosy, ho fanomanana ny taom-pahavaratra 2025–2026. Nandinika ireo asa vita sy ireo fepetra
ilaina hiatrehana ny tranga ara-toetr’andro. Anisan’ireo nandray anjara ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, izay nitondra ny vinavina momba izany ho an’ny efa-bolana ho avy.

Nisy ny fanomanana Simex, manana tanjona hanamafisana ny fahavononan’ireo mpandray anjara sy ny rafitra voakasika hahafahana manao fanazaran-tena mirindra sy mahomby amin’ny fiatrehana loza sy ny fitantanana vonjy taitra. Fanazaran-tena lehibe iarahan’ny rafitra sy ny kaominina mpandray anjara hana­tsarana ny fomba fandraisana andraikitra amin’ny toe-javatra maika. Ny fanomanana no hahazoana antoka fa samy mahafantatra ny andraikiny sy ny asa tokony hataony ny tsirairay, ary hahazoana mijery mialoha ireo lesoka tokony hahitsy alohan’ny tena fanatanterahana.

Notanterahina nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly, natao tao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny tale jeneralin’ny Bianco. Tafiditra ao anatin’ny hetsika Fosika ny fiaraha-miasa tantera­hin’ny minisitera sy ny Bianco.

Partager sur: