Tapaka, omaly, fa hatao manomboka ny 20 desambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fankalazana ny faha-125 taonan’ny Rugby malagasy. Hisy ny hetsika maro hatao amin’io, anisany ny “Super Coupe”
Hankalazaina manomboka ny 20 desambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny faha-125 taonan’ny Rugby malagasy. Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ ny Malagasy Rugby, omaly, fa ny 21 desambra ho avy izao no hisy ny lalao hiadiana ny amboara lehibe “Super Coupe” eny an-toerana. Ny ekipan’ny FTM Manjakaray, tompondakan’i Madagasikara sy ny Cosfa miaramila, tompon’ny amboara nasionaly, no hifandona amin’izany.
Fotoana iray ahafahan’ny mpilalaon’ny Manjakaray manala vela amin’ny miaramila izany io fotoana io. Ampahatsiahivina fa lavon’ny Cosfa tamin’ny 40 no ho 39 ny FTM nandritra ny lalao famaranan’ ny amboaran’i Madagasikara, ny volana septambra teo.
Ankoatra izay, nanazava ny lehiben’ny Federasionina, omaly, fa manomboka amin’io andron’ny faha-20 desambra io no hisy ny karazana fety hatao eny an-toerana, miampy ny fanokanana an’ireo zavatra efa vita tao an-kianja ary ny fampirantiana ny tranoheva, izay ahitana ny tantaran’ny Rugby malagasy. Notsiahivin’ ny Coach Bertin Zoto, fa tany amin’ny taona 1900 tany no niditra teto Madagasikara ny taranja Rugby.
Manao antso avo!
Na eo aza ny fankalazana, manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana sy ny minisitera mpiahy ihany koa ny federasionina ny mba hijerena akaiky ny ekipam-pirenena malagasy Makis. Tsy mbola voarain’izy ireo ny fanampiana avy amin’ny fanjakana mahakasika ireny fifaninanana maro samihafa nataon’izy ireo tany ivelany ireny. “Efa nisy ihany ny taratasy fampahatsiahivana nataonay teny anivon’ny minisitera sy ny andrimpanjakana amin’ izao fotoana izao. Mbola mamerina manao antso avo amin’ izy ireo izahay mahakasika io fanampiana io”, hoy Rakotomalala Marcel, Filohan’ny Malagasy Rugby.
F.R




