Taorian’ny famerenana ny latsa-bato, tanteraka soamantsara ny fifidianana izay ho filohan’ny ligin’Analamanga sy Matsiatra Ambony. Lany hitantana Andriantsiferana Ravaka ho an’Analamanga, ary Randrianarivahiny Dina kosa ny an’i Matsiatra Ambony.
Tontosa omaly, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny fifidiananana izay ho filohan’ny Ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe. Lany hitantana izany, mandritra ny efa-taona manaraka Andriantsiferana Ravaka. Nahazo vato 16 tamin’ireo mpifidy 24 ny tenany raha toa ka 7 ny an-dRamananjatovo Heritiana, mpifaninana taminy. Iray vato maty. «Vonona ny tenako ho an’ireo klioba rehetra, tanjona ny hampandroso ny tsipy kanetibe eto amin’ny faritra Analamanga» hoy i Ravaka, filohan’ny ligin’Analamanga. Nomarihiny fa hataony ho laharam-pahamehana ny fiantsoana ireo klioba eto an-toerana. «Hifampidinika ny zavatra tsara hatao hampandroso ity tsipy kanetibe eto Analamanga ity», hoy izy. Niantso fiaraha-miasa ny tenany amin’ny hanasoavana ity taranja ity. Izy indray izany no handimby an’Andrianolalaina Robinson, filoha teo aloha. Tsiahivina fa miisa 40 ireo klioba eto Analamanga saingy maro ireo tsy mbola nahavita nanavao ny taratasy fanamarinana ny fisiany ka tsy afaka nandatsa-bato.
Ankoatra ny teto Analamanga, tontosa omaly ihany koa, ny tany Matsiatra ka lany hitantana izany Randrianarivahiny Dina Herimalala. Nahazo vato 5 tamin’ireo 10 nifidy ny tenany raha 3 kosa ny an-dRajaona Kaleba. 2 ny vato maty.
Tsara ny mampahatsiahy fa tsy tontosa ny sabotsy lasa teo ireo fifidianana ireo ka antony namerenana azy omaly. Nanatrika ny fotoana ny solontenan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny administratera sivily ary ny tomponandraikitry ny Ceni tsipy kanetibe. Dingana manaraka ny fifidianana izay ho filohan’ny federasionina (FSBM), hatao ny 27 desambra ho avy izao.
Fitia Randria




