« Avelao izahay hiasa », hoy ireo mpiasan’ny orinasa ao amin’ny vondrona Sodiat, omaly, teny Mandrosoa Ivato. Miharatsy ny toe-javatra miseho ao anatin’ny orinasa, araka ny fanambaran’ny mpitondra tenin’ny mpiasa. Nandritra ny hetsika voalohany, voalaza fa misy kaonty maromaro nogiazana ka misy kaontin’ny orinasa sy kaontin’ny filoha tale jeneralin’ny vondrona, Ravatomanga Mamy, izany. Tamin’ireny fotoana ireny mbola nisy kaontin’ny orinasa nisokatra vitsivitsy fa amin’izao fotoana izao, nogiazana ary mikatona avokoa izany ka latsaka an-katerena tanteraka ny orinasa ao amin’io vondrona io. Na ny vola handoavana karaman’ny mpiasa aza tsy hita intsony. Nanao hetsika izy ireo manoloana ny orinasa hampahafantarana ny mpiara-miasa ny zava-misy ahafahany mandray andraikitra. Mahatsapa izy ireo fa tsy rariny ny zava-misy ka manaitra ny fitondram-panjakana ahafantarany ny zava-misy sy hijereny ny zavatra tokony hataony manoloana izany. Mety hikatona tanteraka ny orinasa raha mitohy ny fanagiazana ny kaontin’ny orinasa rehetra. Mpiasa 5 000 (misy olona aman’aliny raha miaraka amin’ny vady aman-janany) no ho very asa. Hiteraka fatiantoka ho an’ny toekarena malagasy ny fahaverezana asa maro. Hanampy isa ireo tsy an’asa indray izy ireo. Mijoro hiady ny zony ny mpiasan’ny vondrona Sodiat ary tsy hijanona ny hetsika mandra-pahazo valiny mahafa-po any amin’ny fanjakana. « Tsy miady amin’ny fanjakana izahay fa fifandraharahana no tadiavina ary maniry mba tsy hanampin-tsofina ny fitondrana ka handray ny solontenan’ny mpiasa efa najoro », hoy ny fanambarana.
Vonjy




