Pancrace-MMA/Kick: Nisongadina ny klioban’ny Tsunami

Tontosa ny alahady 7 de­sambra lasa teo, tao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny “Combat de défi”, teo amin’ny taranja haiady Pancrace-MMA sy Kick Boxing. Katrok’ ady 12 no nitranga ary nisongadina ny klioban’ny Tsunami izay nibata fandresena 4 tamin’ireo ady 12 natao. Teo amin’ ny sokajy vehivavy, latsaky ny 77 kg, norombahin’i Aimée (Cos­fa) ny fandresena, nanoloana an’i Tiana Be (JC2A), ta­min’ny alalan’ny “soumission” teo amin’ny fihodinana fahatelo.
Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, anisan’ny ady nisongadina ny fifandonana teo amin’i Birinod avy any Antsira­be sy i Rasta (TSCA) ka resin’i Birinod tamin’ny KO teo amin’ ny fihodinana fahatelo i Rasta. Nanolotra fisaorana ho an’ny rehetra niara-nisalahy tamin’ity fifaninanana ity ny mpikarakara ny Tambohobe (Tanora mbola ho beazina), ny CMPS.

Mi.Raz

Vokatra

Vehivavy:
-77kg: Aimée Cosfa nandresy an’i Tiana Be JC2A (soumission 3rd Rnd 2’35).

Lehilahy:
-61kg: Herman Tsunami nandresy an’i Njara TCDCL (KO).
-56kg Combat: No Contest teo amin’i Tomili Tsunami sy i Vazaha TSCA.
-61kg: Jomala Tsunami nandresy an’i Tolotra Cosfa (KO 30s).
-70kg: Bidy Antsirabe nandresy an’i Njaka Cosfa (KO 2nd Rnd 1’50).
-56kg: François TSCA nandresy an’i Liva Metal Force (soumission).
-61kg: Bienvenue MMA Fighting nandresy an’i Fandresena Metal Force (soumission 2nd Rnd 2’44).
-70kg: Jocelyn TSCA nandresy an’i Julien Transformer (soumission 1st Rnd 1’16).
-84kg: Tommy Tsunami nandresy an’i Tafita TSCA (soumission 3rd Rnd).
-70kg: Denis Cosfa nandresy an’i Samuel TSCA (KO 2nd Rnd).
-77kg: Fitiavana TSCA nandresy an’i Mamy Cosfa (soumission 28′ 1st Rnd).
-70kg: Birinod Antsirabe nandresy an’i Rasta TSCA (KO 3rd Rnd).

Partager sur: