ONG Solaire sans frontières: Hanokatra ivontoeram-piofanana ao Fianarantsoa

Nandray ny ONG Solaire sans frontières sy ny Amicale Razanamanga ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio, tamin’ity herinandro ity. Misehatra amin’ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro ny ONG Solaire sans frontières sady mifarimbona amin’ny fikambanana marolafy ho fitsinjovana ny sosialin’ny mponina amin’ireo toerana farany lavitra.
Nametraka ivontoeram-piofanana iray eo anivon’ny Don Bosco ao Mahajanga ny fikambanana tamin’ity taona ity. Mampiofana ireo mpampiofana hisehatra eo amin’ny tontolon’ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro (Système solaire photovoltaïque) ihany koa. Mizara sokajy roa ny fampiofanana : Niveau formateur sy ny Niveau installateur et technicien de maintenance.
Ao anatin’ny fanapariahana izany fampiofanana izany ny ONG Solaire sans frontières. Hanokatra ivontoeram-piofanana hafa ao amin’ny Don Bosco Fianarantsoa sy ao amin’ny faritra Vatovavy ihany koa izy ireo. Vonona ny minisitera hifanome tanana sy tolo-kevitra amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa fametrahana ivontoeram-piofanana ireo.

Vonjy

Partager sur: