Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny hisongadina ny fifanandrinan’ny CEA Andranomanalina sy ny Uscar Antananarivo Renivohitra.
Hitohy rahampitso, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapaneka, toa ny mahazatra ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja rugby, “XXL Top 12”. Anisan’ ny hisongadina amin’izany ny fifanandrinana eo amin’ny CEA Andranomanalina sy ny Uscar, ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Donan’ny kartie sy ny boaty izy ity. Fileovana misongadina amin’izao fotoana izao ny Club Etoile Andranomanalina, izay manana ireo mpilalao tanora sy kalaza ary be traikefa. Anisan’izany ry Laou sy Jean-Yves ary Darômy, miampy an’i Mika. Porofon’izany, tsy mbola tojo faharesena, hatreto, ity ekipan’ Andrano ity. Tsy ambaka izany koa anefa ny Uscar. Na efa resy indray mandeha aza izy ireo, mbola manana ny toerana ho tafiditra ao anatin’ireo efatra voalohany, amin’ity fifaninanam-pirenena ity. Manana ireo mpilalao be traikefa ihany koa, toa an-dry Tonny sy Radadatoa, eo amin’ny fitsaram-baolina. Matanjaka ao anaty “Paquet d’avant” ihany koa ity ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ity.
Ankoatra izay, mbola hangotraka ihany koa ny lalaon’ny Tam Anosibe sy ny TFMA. Adin’ny samy kartie ny azy roa tonta. Ekipa mitovitovy fomba filalao ka ho resy izay tsy tsara fiomanana. Tsy maintsy hitady fandresena amin’ity ny TFMA mba ho tsara toerana. Ry zareo Anosibe kosa hanamafy ny fahombiazana efa azony.
Etsy ankilany, hifampitana ny Mang’Arts Manjakaray sy ny STM Savony. Hiendrika famaranana kely koa ny azy ireo satria fileovana diso mifankahalala tsara. Heverina ho klioba kely saingy manahirana ny midona amin’izy ireo. Hanokatra ny fihaonana ny fifanintsanana isam-paritra, hifanandrinan’ny Vakinankaratra sy ny Cosm du Sud avy any Itasy.
Tompondaka




