Fanavaozana, fanovana, fanorenana ifotony… Izany no atrehina izao, tsy maintsy atao. Izay no hetaheta sy fitakian’ny vahoaka. Tena atao? Mba tsy hiverimberina intsony ny korontana politika. Taloha, tamin’ny taona 1992 sy 2010, ohatra, nisy ihany ny hoe fikaonandoham-pirenena. Nidona tamin’ny rindrina? Matoa miverina ihany ny krizy politika, toa mafy no ho ny teo aloha aza. Ny rafitra no mila ovaina. Miara-dalana amin’izany ny lalàna, ny fomba fiasa… Nahoana?
Saika nisy hatrany ny vondron’olona niray tsikombakomba tamin’ny hoe fikaonandoham-pirenena natao. Izay tian-dry zareo no nampanjakaina tamin’ny fanodinkodinana sy fanovana ny hetahetan’ny maro an’isa. Tsy inona fa fiadiana sy fiarovana tombontsoa manokana? Tao aza ny hoe saribakolin’ny vahiny, ny mihevi-tena na heverina ho tsimatimanota… Amin’izao dingana izao, tena atao ve ny fanavaozana na fanovana?
Manomboka eo amin’ny fomba fiasa ny fanavaozana na fanovana. Miainga amin’ny tsirairay amin’ny hoe fanovana toe-tsaina izay: tsy manaiky lembenana amin’izay atao, saro-piaro… Mila fifanarahana mazava: iza no manao inona, aiza àry mankaiza? Eo koa ny fifanaraha-maso, fifampitenenana… Samy tomponandraikitra amin’ny raharaham-pirenena ny tsirairay, manana anjara. Izay no hoe maha olom-pirenena. Dieny izao, ifampitaizana sy ifampifehezana, ifampitantanana…
Ny taotrano tsy efan’ny irery. Vao mainka ny hoe firenena… Izay koa ny fanavaozana na fanovana. Mba tsy hisy intsony ny hoe mpitazam-potsiny na mpihalangalana. Na hatao ankilabao, na zanak’Ikalahafa, na atao tohatra fiakarana… Tena ny vahoaka ve no tompom-pahefana? Na tompon’ny teny farany… Mila zaraina àry ny andraikitra hiaraha-mizaka amin’ny fahazoana maneho hevitra, fampandraisana andraikitra… Alao hery!
R. Nd.




