Radio Oasis : Tsangam-baton’ny faha-25 taona ny Studio vaovao

25 taona ny radio Oasis Tana ary nomarihina ny faran’ ny herinandro lasa teo, teny Soamanandrariny, ny fanakatonana ny fankalazana. Radio miankina amin’ny fiangonana advantista ny radio Oasis ary mivoy ny ara-panahy, ara-tsaina sy ara-batana ary ara-piarahamonina. Ny fandaharana vokarina rehetra sy ny fanentanana samihafa dia mifandraika amin’ireo avokoa. Tan­jon’ny Radio, araka ny teny filamatra ny hoe : « Ilay toerana fakana aina eo anivon’ny efitra karakaina », noharina amin’ny tany karakaina ny taranak’olombelona ka ao amin’ny onjam-peo no manovo hery amin’ny loharano ma­nome ny vahaolana amin’ny lafim-piainana. Vina amin’ny hoavy ny fanatsarana amin’ny fanavaozana ny fitaovana ka hirosoana amin’ny sehatra niomerika. Tsangam-baton’ny faha-25 taona ny Studio vaovao izay notokanana ny faran’ny herinandro teo.
Efa azo tamin’ny 25 taona lasa ny fahazoan-dalana ho an’ny haino aman-jery fa izao vao mivoy ny jery (fahitalavitra) ny mpitantana ny fiangonana Advantista. Tsara ny fampitana hafatra amin’ny teny fa fomba hafa iray koa ny jery. Ao ana­tin’ny andrana teknika ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny réalisateur ao amin’ny televiziona Oasis, Se­traniaina Vola­hery.
Tonga nanotrona ny lanonana ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gasikara Fe­nosoa. Nanamarika izy fa onjam-peo koa no niasany voa­lohany amin’ny maha mpa­­nao gazety azy tany aloha.

Vonjy

Partager sur: