Nitsidika an’i Manakara, ny herinandro teo, ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nanolotra fitaovana hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ao amin’ny faritra. Kodiarandroa miisa 100 ho an’ireo lehiben’ny CSB, “groupe électrogène” ho an’ny hopitaly “CHRR Manakara” ary fiara tsy mataho-dalana ho an’ ny talem-paritry ny fahasalamana. Anisan’ny laharam-pahamehana amin’izao fotoam-panavaozana izao ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara.
Tontosa tao amin’ny Havoria Anosy ny fanolorana mari-pahaizana ho an’ny olona 112 mianadahy nanaraka fiofanana teny vahiny tao amin’ny English Language Institute (ELI). Mankalaza ny faha-35 taona niorenany ny vondrom-panabeazana sy fanofanana ELI amin’ity taona ity ka nomarihina tamin’ny famoahana ny andiany faha-35 izany. Mpanao gazety matihanina avy amin’ny Holafitry ny mpanao gazety 13 no nandray mari-pahaizana taorian’ny fiofanana maimaimpoana natolotry ny ELI izay vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny ELI sy ny OJM.
Nanadihady mahakasika ny aretna Alzheimer eto Madagasikara ny “podcaster” sady mpanoratra, Marianne Morck Danielsen, nandritra ny fandalovany teto amintsika. Raha ny fampitahana nataony amin’ny firenena niaviany (Norvège), tena mendri-piderana ny Malagasy miatrika ny aretina Alzheimer eto amintsika. Satria, tena mahery fo raha ny tsy fahampian’ny drafitra fanohanana azy ireo no jerena, hoy izy.




