Fifanintsanana “Coupe du monde”: Lalao 3 no miandry ny Ankoay, ny fiandohan’ny 2026

Hiatrika lalao 3 avy hatrany ny Ankoay ny volana febroary sy marsa 2026. Lalao izay hiadiana ny tapakila hiatre­hana ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja Basikety 5×5, eo amin’ny sokajy lehilahy.

Taona anisan’ny manan-danja ho an’ny Ankoay ny taona 2026, izay ha­natanterahan’izy ireo lalao maromaro hiadiana ny tapa­kila ho an’ny fiadiana ny am­boara maneran-tany, eo amin’ ny basikety lalaovin’olona 5. Taorian’ny « Afrobasket 2025 » natao tany Angola, hiatrika lalao 3 indray ny Ankoay, lehilahy, ny volana febroary sy marsa 2026. Fifaninanana hatao any Doha, manomboka ny 26 febroary 2026. Ny ekipan’ny Repoblika Demokra­tika ny Congo no hihaona voalohany amin’i Madagasikara amin’io andro io, raha toa ka ny ekipa mampiantrano, i Se­ne­gal kosa no hifanandrina amin’izy ireo, ny 27 febroary. Hifarana amin’ny lalao izay hi­fandonana amin’i Côte d’Ivoire, ity fifanintsanana ho amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany ity, ho an’ny Ankoay, ny 1 marsa 2026. Ekipa goavana sy manana ny lazany avokoa ireo ekipa hifanan­drina amin’i Madagasikara ireo. Lalao 3 hahafahan’i Madaga­sikara manohy ny tantara sy hampiakatra indray ny basi­kety malagasy amin’ny ambony kokoa ireto lalao 3 hatrehan’ izy ireo ireto. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona B, ahitana an’i Senegal, Côte d’Ivoire ary ny Repoblika Demokratika ny Congo no misy an’i Madagasi­kara, amin’ity fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, basikety 5×5 ity.

Mi.Raz

Partager sur: