DAKA AN-JORONY : Manaova toy ny fitsahatry ny akondro

Afaka andro vitsy, hifarana ny taona 2025. Fotoana fanaovana jery todika sy fanavaozana ireo mpikambana isanisany amin’ny fitantanana ny fanatanjahantena. Misy ireo efa nahavita ny azy fa ao ireo vao hiatrika izany. Nisy ny mbola tafaverina eo amin’ny toerany satria nahafa-po ny asany ka mila tohizina. Eo koa nefa ireo namela ny fitondrana ho an’ireo vaovao. Manaovana tahaka ny fitsahatry ny akondro. Mitsahatra mamela solofo mpandimby. Manaova toa ny fitsahatry ny tantely, mitsahatra mamela mamy. Tantara mipetraka ho an’ny taranaka ny zavatra tsara avela fa tsy sanatria ho fahatsiarovana ratsy. Mate­tika nefa mamela kaonty aotra ao anaty fitehirizam-bola ireo mpitantana niala. Tsy fantatra na iniana natao izany na lany tamin’ny fampandrosoana ny taranja fa mazàna mamantana kitapo foana ny mpitantana vaovao. Toa lasa tomany, sahala amin’ny fiafaran’ny kalokalon’antitra.
Toe-tsaina efa nilaozan’ny toetrandro ny tsy mitsinjo ny ao afara. Fisainana mirefarefa amin’ny tany, tsy fanam­piana ny mpifaninana amin’ny tena ka manao izay haharatsy endrika azy. Manaova toy ny fitsahatry ny tantely ê ! Mitsahatra mamela mamy, ho tsarovan’ny rehetra.
Fifanampiana no hahatrarana ny tanjona. Ilaina ny fifanohanana na ivelany na anatiny amin’ny fitantanana satria ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Tsy ilaina ny miolonolona irery, tsy izy ny malain-ko havana fa aleo manao toy ny akondro, miondrika samy manana ny ankolafiny fa rehefa mitraka iray ihany. Manaova toy ny fitsahatry ny akondro, mitsahatra mamela mpandimby. Ny mitandri-pamindra tokoa tsy mba solafaka ary ny tsara fijoro tsy mba mianjera. Aleo manao toy ny fitsahatry ny tantely,
mitsahatra mamela mamy.

Tompondaka

Partager sur: