Anatin’ny famaranana ny faha-45 taona hidiran’ny Kung Fu Wisa hatrany amin’izao ny federasionina malagasin’ny kung Fu. Nisy, araka izany, ny fiofanana ho an’ireo Maîtres manerana ny Nosy, ka anisan’ny nisitraka izany ny tany Antsirabe, ny sabotsy 13 desambra lasa teo. Ny Grand Maître Avoko no nanome ny toromarika ho azy ireo nandritra izany. Nisy ny fampianarana nampiharana ny ADL (Auto Défense Locale), izay efa nianarana mba hahafan’ireo mpanao kung Fu manerana ny Nosy hiaraka hiasa amin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana amin’ny fiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Nambaran’ny Grand Maître Avoko fa ilaina ny manampy ny fiarahamonina ary ho mora ny hanafoanana ny tsy fandriampahalemana raha ny mpanao kung Fu amana hetsiny avy amin’ny klioba 504 manerana ny Nosy no manampy ny fokonolona sy mpitandro ny filaminana amin’izany. Voatety daholo ny faritra manerana ny Nosy ho famaranana ny fankalazana ny faha-45 taona nidiran’ny kung-fu wisa teto Madagasikara.
Mi.Raz




